Acts 1

1Ny boky nosoratako teo aloha, ry Teofilo, dia manambara ny rehetra izay natombok’ i Jesosy sy nampianariny, 2hatramin’ ny andro nampiakarana azy, avy eo dia nandidy ireo Apostoly izay nofidiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. 3Taorian’ny nijaliany, dia nampiseho ny tenany velona tamin’izy ireo Izy niaraka tamin’ireo porofo mandresy lahatra maro. Niseho tamin’ izy ireo Izy nandritra ny andro efapolo andro, ary niresaka momba ny fanjakan’Andriamanitra.

4Rehefa nihaona niaraka tamin’izy ireo Izy, dia nandidy azy ireo tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry ny fampanantenan’ny Ray, momba izay, nolazainy hoe: “Nandre tamiko ianareo 5fa nanao batisa tamin’ ny rano tokoa i Jaona, fa ianareo dia tokony hatao batisa amin’ny Fanahy Masina ao anatin’ny andro vitsy”.

6Rehefa tafavory niaraka izy ireo dia nanontany Azy izy ireo hoe: “Tompo, Izao ve no fotoana hamerenanao ny fanjakana ho an’Israely?” 7Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Tsy ianareo no hahafantatra ny fotoana na ireo vanin’andro izay notendren’ ny Ray tamin’ny fahefany manokana. 8Fa rehefa tonga kosa ny Fanahy Masina dia hahazo hery ianareo, ka ho lasa vavolombeloko eran’ ny Jerosalema sy Jodia iray manontolo ary Samaria, sy hatrany am-paran-tany.”

9Rehefa niteny izany zavatra izany i Jesosy Tompo, dia niandrandra izy ireo, nakarina Izy, ary ny rahona nanakona Azy teo imason’ izy ireo. 10Raha mbola nibanjina ny lanitra iny izy ireo tamin’ ny nandehanany, tampoka teo, nisy roalahy niakanjo fotsy nitsangana teo anilan’ izy ireo. 11Niteny izy ireo hoe: “Ry lehilahy avy any Galilia, maninona ianareo no mitsangana eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nalaina taminareo izay nampiakarina any an-danitra iny, dia hiverina tahaka ny nahitanareo azy niakatra any an-danitra teo iny.

12Avy eo izy ireo dia niverina tany Jerosalema avy tao amin’ny tendrimbohitr’Oliva, izay eo akaikin’ny Jerosalema, mitovy amin’ny dian’ny andro Sabata iray. 13Rehefa tonga izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitra ambony rihana, izay nitoeran’ izy ireo. Izy ireo dia i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak’i Alifeo, Simona Zelota, ary Jodasy zanak’i Jakoba. 14Nitambatra ho iray izy rehetra, ary nazoto nivavaka. Anisan’izany ireo vehivavy, Maria renin’i Jesosy, sy ireo rahalahiny.

15Tamin’ izany andro izany i Petera dia nitsangana teo afovoan’ ireo rahalahiny, eo amin’ny ny olona 120 eo, ary niteny hoe 16: “Ry rahalahy, tena nilaina ny fahatanterahan’ny Soratra Masina, izay nambaran’ ny Fanahy Masina mialoha tamin’ ny vavan’i Davida momba an’ i Jodasy, izay nitondra ireo olona nisambotra an’ i Jesosy.”

17Fa anisan’ny iray amintsika izy ary nahazo ny anjarany tamin’izao fanompoana izao.” 18(Ankehitriny io lehilahy io dia nividy saha tamin’ ny vola azony tamin’ ny faharatsiana izy, ary lavo nihohoka teo izy, ka nisokatra sy nipoaka ny vatany, ary nivoaka avokoa ny tsinainy. 19Ireo olona rehetra tao Jerosalema dia naheno ny momba izany, ary niantso io saha io tamin’ny fitenin’izy ireo hoe: “Akeldama”, izany hoe: “Sahan-dRà.”)

20Fa efa voasoratra ao amin’ ny Bokin’ny Salamo hoe: “Avelao ho lao ny sahany, ary aza avela na dia olona iray aza hipetraka ao’; ‘Avelao ho raisin’ny olon-kafa ny andraikiny.”

21Noho izany, dia ilaina, ny iray amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika nandritran’ny fotoana rehetra nidiran’ i Jesosy Tompo sy ny nivoahany teto amintsika, 22hatramin’ny batisan’i Jaona ka hatramin’ny andro niakarany teo amintsika, dia tsy maintsy vavolombelona miaraka amintsika amin’ny fitsanganany.” 23Ary nametraka roa lahy izy ireo, dia i Josefa nantsoina hoe Barsabasy, na koa atao hoe Josto, ary Matia.

24Nivavaka izy ireo ary niteny hoe: “Ianao, ry Tompo, no mahalala ireo fon’ny olona rehetra, koa ambarao izay hofidinao amin’ izy roalahy 25mba haka ny toerana ato amin’ izao fanompoana izao sy ny maha Apostoly nohon’ ny fandikan-dalàna izay nataon’ i Jodasy handeha ho any amin’ ny toerany manokana. Izy ireo dia niloka ho azy ireo, ary nilatsaka tamin’i Matia ny filokana, ary voaisa ho Apostoly iraika ambin’ ny folo izy.

26

Copyright information for PltULB